Formulaire d'Inscription
Tompoko,

Voninahitra ho ahy, Saraha Georget Rabeharisoa, Filohan’ny antoko HASIN’I MADAGASIKARA (Parti Vert de Madagascar) sy ny mpikambana ao amin’ny Birao Politika izay efa mijoro ny mampahafantatra anao fa nitsangana ara-dalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny antoko politika vaovao mitondra ny anarana hoe HASIN’I MADAGASIKARA.
Ny laharam-pahamehan’ny antoko dia ny fametrahana ny Malagasy ho ivon’ny fampandrosoana ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainany.
Ny foto-kevi-dehibe ijoroany dia ireto avy :

  • 1. Ny fizarana tany maimaimpoana ho an’ny Malagasy tsirairay satria fiharian-karena ny tany ary zon’ny tsirairay ny ahazo ny harena ao an-kibon’io taniny io mba ahafahany mivelatra sy ho sambatra
  • 2. Ny fiarovana manokana “ny rano” rehetra eto Madagasikara satria fototr’aina ho an’ny taranaka faramandimby ny ranontsika.
  • 3. Ny tsy fanekena ho tetik’asa Fampandrosoana ny asa miteraka fanimbana ny Tontolo iainantsika
  • 4. Ny fampandrosoana atao dia tsy maintsy manome hasina ny fahendrena sy fomba maha-Malagasy
  • 5. Ny fanomezana lanja ny fanabeazana maha-olom-pirenena ny tsirairay eto amin’ny Firenena
  • 6. Ny fiarovana ny zon’ny vitsy an’isa, ny tsy fanavakavahana, ny fitoviana eo anatrehan’ny lalàna, ny tsy fampiasan-kery mamono ny aina

Noho izany, raha toa ianao mahatsapa fa mifanandrify amin’ny filanao sy ny fanirianao amin’ny maha- Malagasy anao ireo vato fehizoro iorenan’ny antoko ireo, dia manasa anao izahay hanantevin-daharana ny antoko. Fomba roa no azonao hanatanterahana izany:

Raha tapa-kevitra ny hilatsaka ho mpikambana (membre) amin’ny antoko HASIN’I MADAGASIKARA dia mameno ireo banga eo ambany.

Misaotra betsaka anao amin’ny fanapahan-kevitrao matotra.

Izaho izay manao sonia eto ambany dia maneho etoana ny filatsahako ho MPIKAMBANA ao anatin’ny antoko Hasin’i Madagasikara.

Nom:
  *
Prénom:
  *
CIN:
  *
Fait à:
  *
Le:
  *
Adresse:
  *
Ville:
  *
Région:
  *
Code postal:
Pays:
Adresse mail:
  *
Num Téléphone portable:
Num téléphone fixe:
* Info requise